<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>34</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Tompo Malala ô ! Mpanjakako Ianao
 Tamy aho fa resy lahatra
 Noho ny famonjena vitanao
 Eny, ry Tompo, tsy ho haiko adinoina intsony re
 Ny fitiavana nasehonao

[C1]
   Ka anio no hanavaozako ny fanompoko Anao
   Fa tsy ho voavaliko, izay natolotrao
   Ny fitiavana natolotrao,
   Ka raiso, Tompo, ekeo re sy anjakao
   Ny fiainako ho voninahitrao.

[V2]
 Tompo Malala ô 'lay hazo fijaliana
 Niaretanao tao Kalvary,
 Niaretanao Mpamonjiko
 No nanehoanao fa tianao ity mpanota izay
 Tsy mendrika Anao akory ity
 Ka anio no anavaozako, sns...

[V3]
 Tompo Malala ô ! tsy ho adinoiko intsony
 Ny fitiavana natolotrao
 Ny fitiavana natolotrao
 Eny, ry Tompo, ity izaho izay voababonao
 Fa vonona hanao ny sitrakao
 Ka anio no anavaozako, sns...</lyrics>
<title>Tompo Malala ô ! FF34</title>
</song>